VJ | BLOG


 

 VJ | BLOG » VJ Tononkalo | Hasarotam-piaro

 0 Comments- Add comment | Back to BLOG Written on 12-Oct-2011 by tlika

Jery diso lalana, banjin-diso refy
Dia iny ianao kitaina, toa olona mihoa-pefy
Hafatra nofohezina,teny nampitaina
Dia mampisafoaka, sy mampiferitr’aina

Tsiky voatsipalotra, sangy tsy voafehy
Dia mampibontsin’orona, mampivindina tarehy
Seza nifanatrika, kasika tsy nahy
Dia mampivotirika, ilay maso be ahiahy

Aretina mandoza, sarotra tsaboina,
Tarazon-tsaina diso, tsy fotsy nolotoina
Areti-mampijaly, ny olona rehetra
Ny hafa tsy mifaly, ianao manjoretra

Aretim-piaraha-monina, atambon-tserasera
Mampigadra an-trano, rehefa kamo miera
Areti-manandevo, aretina homamiadana
Iataho sy alaviro, raha mbola te hiadana

Koa dia mitandrema , ary aza manody
Izany hoe saro-piaro, fa toy ny azon’ody
Tia tena tafahoatra, ka jamban’ahiahy
Tsy misy voafehy, fa ny ao am-po mivaha

Send to a friend

Comments

  • There are currently no comments for this post

Leave a Comment









 

Advertisements

Loading …
  • Server: web1.webjam.com
  • Total queries:
  • Serialization time: 469ms
  • Execution time: 516ms
  • XSLT time: $$$XSLT$$$ms