VJ | BLOG » VJ Tononkalo | Mahereza
0 Comments- Add comment |
Back to BLOG Written on 10-Aug-2011 by tlikaNy alahelonao anie, ka alaheloko ry foko
Irony jalinao anaty, iarahantsika mitoloko
Irony ranomasonao, dia toa niloatra avy anatiko
Irony hirifirinao, marary ahy re ka tsy tantiko
Mifanalavitra isika, be ny elanelan-tany
Na izaho na ianao samy tsy mahazaka izany,
Itambarako aminao, ny alahelo, fahoriana,
Noho ity fisarahana, iainantsika anio ry tiana
Mahereza ianao ry tiana, mafy izany tena haiko,
Mahereza foana anefa, ny jalintsika koa efaiko
Mahereza ry fitiavako, mahereza foana akia
Fa izany jaly izany anie, itambarako amin-dry
Mahereza ry olon-tiako, akaro avo ny moraly
Satria raha kivikivy isika, dia vao maika koa hijaly
Mahereza foana ianao, atanjaho izany saina
Mitrakà hatrany hatrany, mbola ho avy ilay maraina