VJ | BLOG


 

 VJ | BLOG » VJ Tononkalo | Maso adala

 0 Comments- Add comment | Back to BLOG Written on 13-Jul-2011 by tlika

Teo am-poto-tsolosaina, raha nibanjina anao
Dia nironga-betivety, ilay fanahy tanaty tao
Ka namosaka an-teny, ireo fijeriny ilay sary
Tena kanto loatra lahy, ilay masonao mibary

Dia nifantoka ihany, ka nandalina ny maso,
Moa tsy ianao indrindra va, ilay sary mpiantso andraso
Ka mampamikitra ny jery, sy ny banjina ho any
Mitazana ilay sarinao, ka lasa eto ny vinany

Dia resenao lahatra eto, izato foko adaladala,
Te-hiteniteny foana, hoe iny hono izy ka malala
Ka tsy mahatsindry intsony, ireto tondro fanoratana
Fa mitsiriritra an-jery, izato bika tsara vatana

Dia mandinika ihany, mandinika ireo maso vendrana
Jerena ambony sy ambany, kosehina fa sao mipendrana
Fa tena kanto loatra mihitsy, izato voary Malagasy
Tsy misy tsiny azo ambara, fa tena kanto kasikasy

Dia noresahiny maharitra, nanipazapazan-teny
Hoe taiza daholo no nalaina, ireny sarinao ireny
Fa na ny haingo na ny tafy , tena raitra sy sariaka
Tena tahaka ireo boky, feno sary tiana adika

Kanjo tapaka ny jiro, vao niverina ny sainy
Fa ity sary izay jereny , anie ka olona tsy hainy
Tsy hainy akory izay momba azy, indrindra moa fa ny anarany
Dia efa lasa lavitra izy, mandrindra ho azy ny tantarany

Soa fa tapaka ny jiro, mba nampiverina eto an-tany,
Fa lasa lavitra an-dakira, ilay vetso sy vinany
Ka nahalalany indray, fa io sary tazany io
Mety tsy ho eo intsony rehefa dila ny anio

 

Raozigasyhttp://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/maso-adala

Send to a friend

Comments

  • There are currently no comments for this post

Leave a Comment









 

Advertisements

Loading …
  • Server: web1.webjam.com
  • Total queries:
  • Serialization time: 375ms
  • Execution time: 406ms
  • XSLT time: $$$XSLT$$$ms