VJ | BLOG


 

 VJ | BLOG » VJ Tononkalo | Vola sa fitiavana

 0 Comments- Add comment | Back to BLOG Written on 08-Jun-2011 by tlika

Efa ela aho naniry, hoe hivarobarotra
F’io tontolo io, tena tontolo sarotra
Fa be ny mpanambaka, be ireo mpisoloky
Be ireo mpamitaka, mangalatra dia voky

Efa ela aho no naniry , hoe hividividy
F’io tontolo io, maro fehy sy didy
Ka raha vao kely an-tanana, izay entinao ho sanda
Tonga ianao dia resy, tsy afa-mihoatra manda

Efa ela aho no naniry, hoe vola ho takalo
F’io nofiko io, maro fahavalo
Sy be ampihi-mamba,indrindra herisetra
Sy fitiavan-tena, tsy mba misy fetra


Ka naleoko ny ahy, nasetry fihavanana
Izay azoko omena, atolotro ny namana
Tsy sandaiko akory, sao dia mitolila
Na tsy feno tsara, k’atao hoe mampifila

Ary dia naleoko, ny fifanampiana
No nentina nitambatra, tamin’ireo izay tiana
F’iny no takalo, tena tsara indrindra,
Tsy azonao amidy, nefa mora afindra

Naleoko ny ahy fitia, nomena antsinjarany
Io tsy mety ritra, na hoe hita izay farany
Raha misy aza mila, omeko ambongadiny
Mba hamenoan’ny hafa, izay zavatra fitadiny

Ary ianareo ahoana, ry namako rehetra
Mitovy ve ny antsika, izato tarigetra,
Vola ve ny anao, no ataonao mibahana
Sa fitiavana dia ampy, ka ho mora ny fiarahana

Send to a friend

Comments

  • There are currently no comments for this post

Leave a Comment









 

Advertisements

Loading …
  • Server: web1.webjam.com
  • Total queries:
  • Serialization time: 328ms
  • Execution time: 359ms
  • XSLT time: $$$XSLT$$$ms