VJ | BLOG » VJ Tononkalo | Nofohaziko ny lasa
0 Comments- Add comment |
Back to BLOG Written on 13-Apr-2011 by tlikaNofohaziko ny lasa, ka natamberiko an-tsary,
Ireo tantaratsika omaly
Ireo teny mamy sy angola, mbola tazako mihary
...Ka ny foko mbola faly
Ireo hantahanta sy angoty, mbola henoko ny akony
Misiotsioka anatiko ao
Ireo dolan-tsandrinao miampify, misakambina ahy ny rakony
Mivetsovetso hoe tiako ianao
Nofohaziko ny lasa, ka nangorintsina tan-tsofiko,
Ilay feonao miavaka
Ireo kalonao kalointsika, mandrotsirotsy ahy an-nofiko
Haingo-nofy sady ravaka
Ilay hatakao miangola vaitra, anaty doladolan-dongy
Tsy mba manana sahala
Ny hasambarana ampitainy, feno loatra ka tsy omby
Ao am-poko ry malala
Nofohaziko ny lasa, ka nampitsangam-bolo ahy,
Ireo halatralatra fitia
Toy ny olona lehibe, nihevitra ho sahisahy
Ka nianoka ireo fy
Nifampizara traik’efa, tamin’izato vanton-taona
Ka mihevitra ho matotra,
Ary izany rehetra izany, tamin’ilay vanim-potoana
Nampifaningotra ilay fatotra
Nofohaziko ny lasa, kanefa avy eo izy natory,
Rehefa tapi-nofinofy
Rehefa miverina eto an-tany, tsy misy azo atao akory
Fa ilay anio sisa farofy
Noezahiko hifoha, notambazako hijanona
Fa tsy nahoany izato antsoko
Ka embonembona no sisa, sy vetsom-pitia manimanina
No zary feon’ny kimpantsoko
Raozigasy