VJ | BLOG » VJ Tononkalo | Tiako ianao ry zanako
0 Comments- Add comment |
Back to BLOG Written on 09-Mar-2011 by tlikaNa mamoha sasak’alina, na manditsaka am-pandriana,
Na tsy ahitako tory ny alina, na mitomany be kiriana
Dia tiako fa zanako
Na misintona ny volo, na mandrangotra tarehy
Na manao fihetsika bontolo, na manavesatra ahy mandeha,
Dia tiako fa zanako
Na mampijaly ny aiko, rehefa injay marary
Na mamizana ny saiko, rehefa tsy mihinam-bary
Dia tiako fa zanako
Fa na mampaharary ny aina, na mahavaky fo,
Ny ataonao sombin’aina, dia iaretako avokoa
Tiako ianao ry zanako
Raozigasy