VJ | BLOG


 

 VJ | BLOG » VJ vavaka | "tanteraka ny hatakao"

 0 Comments- Add comment | Back to BLOG Written on 16-Feb-2011 by tlika

*Mamangy anao ny Tompo anio*

Iza no mampamirapiratra ny kintana amin'ny hatsarany rehetra ?


Iza no mampikoriana ny renirano ?

Ianao koa, tsy mila miady mafy vao tafita amin'ny fiainana,   satria ny
tsara indrindra no mendrika ho anao sady voaomana ho anao.

Mifikira amin'izay irin'ny fonao, fa ho tanteraka izany. Amena !

Ny maso izay mamaky ity hafatra ity, tsy ho tojo amin'ny ratsy ;

Ny tanana izay handefa ity hafatra ity amin'ny hafa, tsy ho sasatra foana ;


Ny vava izay hanonona ny amena aorian'ity vavaka ity, hitsiky mandrakariva.

Miorena amin'ny fitiavan'Andriamanitra !

Tsy hanjavona ny nofinao ;


Tsy ho rava ny fikasanao ;

Tsy ho foana ny anjaranao ;

Izay irin'ny fonao, dia ho azonao tokoa, amin'ny anaran'i Jesosy.

Tonony mafy ny *amena*.


Hahafantatra ny anaranao sy ny adiresinao ny fanambinana alohan'ny faran'ity
volana ity.

Raha mino ianao, alefaso amin'ny namanao rehetra ity.

Tsy misy mandeha mantsaka vao maraina ka mitondra rano maloto mody ;


Androany, hadio anie ny fiainanao, hiadana sy hanjelanjelatra tahaka ny
loharano vao maraina.

Ny fahasoavan'Ilay Tompo Tsitoha anie hanohana anao, hampaharitra ary hanome
izay rehetra ilainao, araka ny hareny ao amin'ny voninahitra. *Amena*.

Ho andro tsara ho anao anie ity andro ity, amin'ny anaran'i Jesosy.

Ny sitrapon'Andriamanitra anie tsy hitondra anao na oviana na oviana any

amin'izay tsy hahitanao fahasoavana sy fiarovana eh.

Hisy zava-tsoa ho tonga aminao androany, zavatra izay efa nantenainao.

Tsy vazivazy izany, fa handray ny Tompo ianao ary hampandroso ny fiainanao

amin-kery ny asan'Andriamanitra tsy azo sakanana.

Fitahiana maharesy ny ozona rehetra no ho azonao amin'ny anaran'I Jesosy.

Gaga ve ianao hoe nandefasako ity hafatra ity aho ?


Androany maraina, nandondona tao amin'ny varavaran'ny lanitra aho, ary
nanontany ahy Andriamanitra :

"anaka, inona no tianao hataoko aminao ?"

Dia hoy aho hoe : "Ray ô, arovy ary tsofirano ilay handray ity hafatra ity";

Nitsiky Andriamanitra ary namaly hoe : "tanteraka ny hatakao" ;

Izay nahazo maimaim-poana aoka hanome maimaimpoana, ka handefa ity vavaka

ity amin'ny namany" ;

Ary manonona ny Fitahian'ny Tompo ho antsika,


Misaotra an'i Jeannette sy Emma

 

Send to a friend

Comments

  • There are currently no comments for this post

Leave a Comment









 

Advertisements

Loading …
  • Server: web1.webjam.com
  • Total queries:
  • Serialization time: 328ms
  • Execution time: 359ms
  • XSLT time: $$$XSLT$$$ms