VJ | BLOG » VJ Tononkalo | Ora firy
0 Comments- Add comment |
Back to BLOG Written on 09-Feb-2011 by tlikaDia lasa koa ny saiko, mijery ity fotoana,
Ora firifiry, no lany sy nimaona
Nanangonan’ainga, hampiainga ny fanahy
Ora firy re, mba maro ihany lahy !
Fa tononkalo iray, vita am-bakiraoka,
Afaka ora firy, vao azo aseho vahoaka
Amin’izany ny tsipelina, mila fanintsiana
Ny voambolana fampiasa, ovaina dia fidiana
Fa tsy korisarisa, na teny diso toerana
Na voka-bisavisa, navoaka tsy noferana,
No nandany ilay fotoana, fa ilay fisosam-penina,
Sy rotsan-driakan-teny, ho soratra voatenona
Ireo angonangom-betso, mivadika ho feo
Tanisain’ny fo, ka miainga eo no ho eo
Dia efa mahavalalanina, fa minitra maro
No laniny sy alainy, izay vao mety ho laro
Ireo gadona sy rima, haingo sady ravaka,
Ireo sarintsarim-peo, halanto hampiavaka
Mila avoaka an-teny, raketina an-tsoratra
Dia mandany ny fotoana, sy andron’ny mpanoratra
Dia nataoko teo ny kajy, sy ny adi-sanina
Natao ny kaonty baoritra, ka tena nahafanina
Fa tena ora maro, atsasa-torimaso,
No takalon-drarak’ity ainga ts’isy andraso
Dia ahoana izany ? raha ireo izao no vola,
Tsy hahantra ny poety, ny mpanoratra tsy ho tola
Ny kanto Malagasy, hirenty sy hanan-danja
Fa tsy ho basin’ari-fito, mipoaka ts’isy vanja
Fa andraikitr’iza, no manome ny vahana,
Sa ny fisaina fotsiny no mbola misy bahana,
Ka ny kanto Malagasy, tsy mety hahavelona
Fa mpampifaly fotsiny ny zanak’olombelona ???
Raozigasy