VJ | BLOG


 

 VJ | BLOG » VJ partage | Baiboly finday

 0 Comments- Add comment | Back to BLOG Written on 10-Jan-2010 by tlika


Nanolotra: Malalasoa

Nandika tamin’ny fiteny malagasy : Mamy Nantenaina Rabemanantsoa

Ny « Baiboly » sy ny « Finday »

*************===================*************

Azonao an-tsaina ve ny zava-misy raha ohatra ka ataon-tsika toy ny mampiasa ny

Finday ny fampiasantsika ny Baiboly ?

Ø Raha entin-tsika ny Baiboly ao anaty kitapo, ao anaty ny maletin-tsika, eny amin’ny

fehikibo, na anaty ny paosin’ny akanjon-tsika ?

Ø Raha topazan-tsika maso matetika isan’andro ?

Ø Hiverenan-tsika alaina raha ohatra ka hadino any an-trano na any ampiasana ?

Ø Raha ampiasain-tsika ho fandefasana hafatra ho an’i naman-tsika ?

Ø Raha ataon-tsika toy ny tsy afaka miaina raha tsy misy azy ?

Ø Raha entin-tsika amin’ny “voyage”, raha toa ka mila fanampiana isika na mila vonjy ?

Ø Ataon-tsika eny an-tànana raha sendra ny tampoka ?

Ø Ny maha samihafa azy amin’ny “Finday” kosa anefa, dia ny “Baiboly” dia misy

“Réseau” foana.

Ø Afaka mampiasa azy foana isika n’aiza n’aiza misy antsika

Ø Tsy mila misahirana amin’ny tsy fahampian’ny “credit” isika, satria i Jesosy dia efa

nividy mialoha. Ny “credit” ao dia tsy manam-pahataperana.

Ø Ankoatr’izany ; ny fifandraisana dia tsy mba tapaka mihitsy, ny “batterie” dia feno

foana mandritra ny fiainana manontolo.

“Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky izy”

(Is. 55,6)

 

Nomerao antsoina haingana

 

( Raha malahelo ianao, Tsindrio * Jaona 14.

( Raha misy olona mifosa anao, Tsindrio * Salamo 27.

( Raha tezitezitra ianao, Tsindrio * Salamo 51.

( Raha mitebiteby ianao, Tsindrio * Matio 6, 19-24.

( Raha tra-doza ianao , Tsindrio * Salamo 91.

( Raha mahatsapa ianao fa lavitra A/tra, Tsindrio * Salamo 63

( Raha mila fankaherezana ny finoanao, Tsindrio * Hebreo 11.

( Raha irery ianao sy matahotra, Tsindrio * Salamo 22.

( Raha mafy atoro sy be tsikera ianao, Tsindrio * 1 Korontiana 13.

( Mba ahafantarana ny zava-miafin’ny fahasambarana, Tsindrio * Kolosiana 3,12-17

( Raha mahatsiaro irery sy malahelo ianao, Tsindrio * Romana 8,31-39

( Ho ana o izay mitady filaminana sy fitsaharana, Tsindrio * Matio11,25-30

( Raha mihevitra ianao fa izao tontolo izao dia lehibe, Tsindrio * Salamo 90.

 

Raiso ireo nomerao ireo ao anaty firaiketana ! Mety ho zava-dehibe aminao ireo

indray andro any, mandritra ny fiainanao

Omeo ny hafa; fa mety ny iray amin’ireo nomerao ireo no mety manavotra fiainanairay !!!!

Send to a friend

Comments

  • There are currently no comments for this post

Leave a Comment









 

Advertisements

Loading …
  • Server: web1.webjam.com
  • Total queries:
  • Serialization time: 438ms
  • Execution time: 500ms
  • XSLT time: $$$XSLT$$$ms