VJ | BLOG


 

 VJ | BLOG » VJ culture | DOX

 0 Comments- Add comment | Back to BLOG Written on 17-Jun-2009 by tlika

 Ny tsikitsikinao

Mpanoratra : Dox

Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana...
Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany...
Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana...
Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !

Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana,
Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana,
Nikaloan'ny fanahiny tsantatsantam-paniriana,
Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana !

Hisy angamba amin'ireny sahy hamboraka aminao
Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao
Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany !

Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny
Ny fitia vokatr'iny mba ho raki-mandra-matiny,
Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany !
   
(talohan'ny 1939)
Send to a friend

Comments

  • There are currently no comments for this post

Leave a Comment









 

Advertisements

Loading …
  • Server: web1.webjam.com
  • Total queries:
  • Serialization time: 625ms
  • Execution time: 688ms
  • XSLT time: $$$XSLT$$$ms