0 Comments
- Add comment
Written a day ago by mamyAndriamanitra no miantso mba hiasa an-tanimboly
Ka ny sabatra amin'izany dia ny Tenin'ny Baiboly.
Asa fanolorantena, tena Asa fanompoana,
Mitaky zotom-po hatrany ary koa herim-pinoana.
Namaly ny antso ny pasitera ka nandeha tam-pinoana
Hanatanteraka ny baiko dia ny Asa fanompoana,
Hitory sy hanambara ny Vaovao Mahafaly,
D'Ilay Teny tonga Nofo, tonga hanafaka ny jaly.
Tsy moramora anefa ny asa, tena sarotra tokoa,
Be ny zava-manahirana, tsy àry ho voatanisa moa,
Indraindray aza mantsy dia ao koa ny tora-bato...
Ireny rehetra ireny anefa dia tsy natao hampiato.
Na maina andro na ririnina dia vonona handeha hitory,
Miara-paly amin'ny faly, miaraka ory amin'ny ory,
Vonon-kihaino lalandava fa tsy manao ankilabao,
Ary ankinina amin'ny Tompo ny asa rehetra izay atao.
Antsoina hatrany ny pasitera n'inon'inona mitranga.
Raha vao izy no tsy eo, tsapa ny toerany fa banga.
Na an-kasoavana izany na koa an-karatsiana
Ny manandrify tsy mba miolaka ary tsy azo idifiana.
Moa hozoviana indray ? Efa fantatrao sahady :
Izy ilay nohatoninao fony ianao hampaka-bady.
Mbola izy ihany koa no ilay nanao batisa
Sy nitondra tamim-bavaka raha ianao narisarisa.
Ary angaha izany ihany ? Fantatrao koa ny sisa.
Santionany ihany ireo fa tsy àry ho voatanisa...
Ny fananana pasitera tsy haitraitra velively
Fa fahasoavana tokoa ho an'ny lehibe sy ny kely.
Dia mandeha ny pasitera mankany Genève sy Lausanne
Ny vantaniny rehetra dia tsara fandray hatrany.
Ny asa rehetra atao moa dia efa ao anaty fandaharana.
Tsaroana ho fohy ny fotoana ka tsy azo ivalamparana ;
Satry mbola hidinidinika amin'ny mpianakavin'ny finoana,
Izy rehetra rehetra koa mbola te hitana hatrany foana.
Rehefa hariva anefa ny andro dia maika hamonjy token-trano
Ka voatery mifanao veloma fa lavi-dàlana haleha...
Dia ampitondrainy voan-dàlana
Tsy hanin-kahavoky akory fa zary fomba sy fanao.
Ao koa ny tsy manolotra, mety ho tsy nisy teo an-tànana,
Nefa tsy izany akory no atao haharatsy fihavanana.
Tsy firy no matihanina ny pasitera aty Andafy ;
Tsy maintsy manana anton'asa, indraindray tena asa mafy.
Nefa atao izay misy aloha, zara aza misy afitsoka.
Ao ny mbola miasa ihany na dia efa maizin-kitroka.
Ny pasiteran-tsika moa mamelom-bady aman-janaka,
Be adidy, be herehina, ka na dia efa vizana sy lanaka
Tsy maintsy mitady asa satria sarotra ny fiainana.
Atao daholo izao sy izatsy, tsy azo asiana fahalainana
Ny asa izany dia atao ankoatra ny maha-mpitandrina.
Ny fahasahiranana matetika tsy hita soritra amin'ny handrina.
Tsy avy hisambotra ihany koa satria aiza ny hamerenana ?
Tena ady ny fiainana na aiza na aiza tany onenana.
Ny kibo, hono, tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy.
Tsy satriny aza ve moa mba ho matihanina atsy ho atsy,
Saingy mbola lavitr'ezaka izany faniriana izany,
Mety ho to ihany angamba any indray andro any !
Fa niantso Andriamanitra ka nanosotra, nifidy,
Ary naniraka mpanompo hanatontosa izany adidy.
Sahanasa midadasika ny sahanasany eto an-tany
Ho fampandrosoana hatrany ny ambaindain'ny fanjakany.
Etienne Pernet 07 oktobra 2000
Antsiva
(Dia somary novan’i VJ kely ho an’i Past AZ 21.10.07)
0 Comments
- Add comment
Written on 29-Dec-2008 by tlika
0 Comments
- Add comment
Written on 24-Dec-2008 by tlikaComme d’habitude, c’est toujours la faute de quelqu’un d’autre...
0 Comments
- Add comment
Written on 19-Dec-2008 by tlika erci, Seigneur, merci,
Merci pour tous les cadeaux que tu m'as offerts.
Merci pour tout ce que j'ai vu, entendu, reçu.
Merci pour l'eau qui m'a réveillé,
Merci pour les habits qui me protègent.
Merci pour la nuit paisible
Merci pour les étoiles
Merci pour le silence
Merci pour le temps que Tu m'as donné
Merci pour la vie
Merci pour la grâce.
Merci pour mon travail, mes efforts.
Merci pour la nourriture qui m'a soutenu,
pour l'eau qui m'a désaltéré.
Merci pour les bonjours qu'on m'a souhaité
Pour les poignées de main que j'ai données
Pour les sourires qu'on m'a offerts.
Merci pour le toit qui m'abrite, pour la lumière qui m'éclaire.
Merci pour les bouquets de fleurs,
Merci d'être là Seigneur,
Merci Seigneur
men !
0 Comments
- Add comment
Written on 15-Dec-2008 by tlikaA l’église, il y a toujours une ou des histoires de moutons...
0 Comments
- Add comment
Written on 12-Dec-2008 by tlikaMidera Anao
Lay Mpanjakan'ny Mpanjaka
No antsoiko zao
Ilay Avo indrindra ao an-danitra ao
'Lay efa naharesy izao tontolo izao
No ametrahako indray izao vavako izao
Fantatrao izay tena miafina amiko
'Zay rehetra ao am-po, izay mandreraka ny lohA
Sy izay miseho amin'ny fiainako
Sy izay nokosehiko tsy hotadidiko
Ialako ny hadalako sy izay mety ho fahotako
Mitalaho Ray o mba fafao
Tsy mendrika hiantso ny anaranao akory aho
F'efa lehibe ny fitiavanao
Iriko sady tiako f'efa natolotrao ahy
Isaorako ianao Ray
Fa hery lehibe ho ahy ny fahalalako
Fa voavelanao ny heloko
Midera anao Andriamanitro
Midera anao Andrimanitro
Fa lehibe ny fitiavanao.
Rija Rasolondraibe
0 Comments
- Add comment
Written on 08-Dec-2008 by tlikaLivres
La puissance de la prière : incroyable !, , Maison de la Bible
Encore un livre sur la prière ? Oui, mais ne devrait-on pas tous en lire au moins un ? Celui-ci vaut le détour. Il part de prières de la Bible ce qui permet à l’auteur de dire des choses concrètes, au lieu de la théorie pure et dure. L’auteur n’a pas choisi que des prières connues, donc en même temps qu’on s’instruit sur la prière, on en apprend sur la Bible. À recommander !
0 Comments
- Add comment
Written on 05-Dec-2008 by tlika onne-moi une bonne digestion, Seigneur,
et aussi quelque chose à digérer.
Donne-moi la santé du corps,
aide-moi à la garder au mieux.
Donne-moi une âme sainte, Seigneur,
qui ait les yeux sur la beauté et la pureté,
afin qu'elle ne s'épouvante pas en voyant le péché,
mais sache redresser la situation.Donne-moi une âme qui ignore l'ennui,
le gémissement et le soupir.
Ne permets pas que je me fasse trop de souci
pour cette chose encombrante que j'appelle moi.
Seigneur, donne-moi l'humour,
pour que je tire quelque chose de cette vie
et en fasse profiter les autres.
men.
0 Comments
- Add comment
Written on 03-Dec-2008 by tlika
Tonga soa eto amin'ny sehatry ny
VJ | BLOG.
Sehatra natao izarana ireo talenta isankarazany (découvertes, production, apprentissages, réflexions).
Aza misalasala mizara izay fahasoavana nomena anao.
Afaka manolotra tononkalo, fijoroana vavolombelona
Ho hitanao eto koa ireo fanadihadihana sy interview-n'Ireo VJournalistes.
.